Anjely amin' ny sary kely persiana, amin' ny fomban' i Bukhara, taonjato faha-16

Ny anjely (na malak, amin' ny teny arabo) dia zavamananaina any an-danitra, izay irahin' Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin' ny tany, sady ho mpampita ny hafatra sy ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny olona. Anisan' ny dôgma enina ao amin' ny finoana mozilmana ny fisian' ny anjely.

Fiforonan-teny

Amin' ny teny arabo, izay nanoratana ny Kor'any, dia atao hoe ملاك / malāk (raha tokana) na ملاًئِكة / malā'ikah (raha maro) ny anjely. Ireo teny ireo dia midika hoe "iraka" na "mpitondra hafatra".

Ao amin' ny finoana mozilmana

Anisan' ny dôgma enina ao amin' ny finoana mozilmana (مَان /ʾīmān) ny fisian' ny anjely, manampy ny dimy hafa (ny fisian' Andriamanitra sy ny maha tokana azy; ny fisian' ny mpaminany ka i Mohamady no farany; ny fisian' ny boky nalefan' Andriamanitra: ny Tawrat, Zabur, ny Injil ary ny Kor'any; ny Andron' ny fitsarana farany (ny Paradisa sy ny Afobe); ny fisian' ny lahatra).

Araka ny Kor'any

Anjely niresaka amin' ny olona

Voaresaka ao amin’ ny boky Kor'any ny anjely Jibrily (Gabriela/Gabriely) izay nampita ny fanambaràna ny zava-miafina tamin' ireo mpaminany. Miresaka momba an' i Mikaela koa io boky io. Niteny tamin’ ny olona ny anjely: ohatra tamin' i Ibrahima (Abrahama) sy tamin' i Zakaria ary tamin' i Mariama (Maria).

Ny toetran' ny anjely

Araka ny fampianarana moeilmana be mpanaraka dia tsy afaka manota ka tsy hanaraka ny sitrapon' Andriamanitra ny anjely. Sady tsy lahy no tsy vavy izy ireo. Ambony noho ny olona rehetra, afa-tsy ny mpaminany Mohamady, ny anjely. Namboarin' Andriamanitra tamin' ny hazavana na ny rivotra mafana izy ireo. Tsy afaka mandà ny asa ampanaovin' Andriamanitra azy ny anjely, tsy mitovy amin' ny olombelona sy ny jiny izay manan-tsafidy. Tsy afaka manota ny anjely. Tsy hotsaraina izy ireo amin' izany. Tsy lahy tsy vavy ny anjely. Tsy miteraka izy. Tsy misy noho izany ny atao hoe anjely ratsy.

Ny Kor'any anefa miresaka momba ny fianjeran' i Iblis ao amin' ny sorata maro. Ny sorata iray hafa dia olana amin' ny fampianarana momba ny tsy fahaizan' ny anjely manota; izany sorata izany dia miresaka an’ i Harut sy i Marut (arabo: هَرُوتَ وَمَرُوتَ), izay anjely potraka noho ny fandresen' ny fahafinaretan' ny nofo azy ireo; araka ny fitantarana dia nohidiana tanaty lavaka izy ireo ary nampianatra ody ny olombelona (Sorata Baqara 2:102).

Ny asan' ny anjely

Irak' Andriamanitra ny anjely. Manohana sy miaro ny mpino amin’ ny fahavalony ny anjely. Misy ny anjely mpanelanelana ny olona sy Andriamanitra, ny anjely mpiambina, ny anjely mpitana an-tsoratra ny ratsy sy ny tsara ataon' ny olombelona ary ny anjely mpitondra ny fanambaràna ny miafina.

Ny anaran' anjely hita ao amin' ny Kor'any

Ireto ny anaran' anjely hita ao amin' ny Kor'any:

Araka ny lovantsofina

Misy anaran' anjely tsy voasoratra ao amin' ny Kor'any nefa fantatra amin' ny alalan' ny lovantsofina dia i Azraela (na Izrā’il) sy i Rafaela (na Isrāfil) ary i Ridoana (na Ridwan).

Jereo koa