Ny Helo

Ny fiainan-tsi-hita na fitoeran' ny maty dia toerana misy ny olona aorian' ny fahafatesana, araka ny fampianaran' ny fiangonana kristiana. Lazaina koa fa nidina tany amin' io toerana io i Jesoa taorian' ny fahafatesany.

Voambolana ao amin' ny Baiboly malagasy

Ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy no ahitana ny teny hoe fiainan-tsi-hita na fitoeran' ny maty na helo.

Voambolana prôtestanta

Fiainan-tsi-hita

Ny teny hoe fiainan-tsi-hita no nandikana ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy ny teny latina hoe infernus izay midika ara-bakiteny hoe "izay ao ambany". Ny mpanoratra ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia mampiasa ny tsipelina hoe "fiainan-tsy hita" fa tsy "fiainan-tsi-hita".

Helo

Ny teny hoe helo dia fanagasiana ny teny anglisy hoe hell izay mitovy dika amin' ny teny latina hoe infernus, izay nandikana ao amin' io fiteny io ny teny hebreo hoe שְׁאוֹל / sheol sy ny teny grika hoe Γέεννα / gehenna (avy amin' ny teny hebreo hoe גֵי־הִנֹּם‎ / ge-Hinnom) sy Τάρταρος / Tártaros. Tsy ny fiainan-tsi-hita manontolo anefa no tondroin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy amin' ny hoe helo fa "toerana [...] inoan' ny mpivavaka kristianina ho fitoeran' ireo ratsy fanahy teto an-tany ka ijaliany amin' ny tsy fahitany an' Andriamanitra". Ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa mampiasa ny hoe afobe.

Voambolana katôlika

Fitoeran' ny maty

Ny teny hoe fitoeran' ny maty dia nandikana ao amin' ny Baiboly katôlika amin 'ny teny malagasy ny teny latina hoe infernus.

Afobe

Ny teny hoe afobe dia fandikana ny teny latina hoe infernus, ilazana ny toerana ijalian' ny ratsy fanahy amin' ny tsy fahitany an' Andriamanitra. Io no mifanandrify indraindray amin' ny helo na fiainan-tsi-hita prôtestanta malagasy.

Loharano

Loharano avy amin' ny lovantsofina jiosy

Seôla na Seôly

Ny Seôla na Seôly, araka ny finoan' ny Jiosy, dia ny fitoeran' ny maty, ny fasana iraisan' ny olombelona rehetra. Tsy fantatra na ny any an-koatra izany na tsia. Ny Baiboly hebreo dia manoritsorita azy ho toerana tsy misy fahafinaretana izay itoeran' ny olona rehetra, na marina na meloka, na mpanjaka na andevo, na tia vavaka na tsy mivavaka, mba hitoerany amim-pahanginana sy hiandrasany ny fiverenany ho vovoka. Tsy izany anefa no iafaran' ny olombelona fa misy ny hovoavonjy avy ao amin' ny Seôla, araka ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ao amin' ny Bokin' ny Salamo (Sal. 86.13) sy ny hafa koa.

Gehena

Lohasahan' i Hinôma, niavian' ny teny hoe "Gehena"

I Gehena dia lohasaha tery sady lalina eo akaiky atsimo sy atsimo-andrefan' i Jerosalema izay nanamboaran' i Sôlômôna (na Salômôna) toerana avo hivavahana amin' ny andriamanitra Kemôsy sy Môlôka, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj. 11.7). Tao no nanaovan' ny Israelita sorona zazakely tamin' i Môlôka araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.10) ka noheverina ho toeran' ny fahavetavetana io toerana io. Taty aoriana dia lasa toerana fanariana ny loto rehetra ny ao Gehena sady nisy afo nirehitra tsy an-kijanona mba hisorohana ny aretina pesta. Izany no nahatonga ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao nampitovy ny "gehena" amin' ny "fiainan-tsy hita".

Avy amin' ny teny hebreo hoe גיא הנום / Gei Hinom ("Lohasahan' i Hinoma) na גיא בן הנום / Gei ben Hinom ("Lohasahan' ny zanak' i Hinoma") i Gehena. Ny fandikana amin' ny teny grika ny Baiboly hebreo dia nanoratra hoe Γέεννα / Géenna ka avy amin' io no nanakaran' ny mpandika ny Baiboly amin' ny teny malagasy ny anarana hoe Gehena.

Hita ao amin' ny Matio (5:22, 5:29; 5:30;10:28; 18:9; 23:15, 23:33), Marka (9:43, 9:45, 9:47), Lioka (12:5), Jakôba (3:6) ny fampiasaiana ny teny hoe Γέεννα / Géenna.

Loharano avy amin' ny fedrà grika

Tartarôsy

Ao amin' ny fedrà grika dia Tartarôsy no iantsoana ny toerana misy varavaram-by sy tolam-baravarana alimo, izay anonerana ny hadisoana sady ahitana ny fampijaliana rehetra. Ao no ametrahana ireo mpanao heloka bevava. Atao hoe Τάρταρος / Tártaros io toerana io amin' ny teny grika, izay anaran' ny andriamanitra iray manjaka ao amin' io toerana io amin' ny fedrà sy ny finoana grika taloha.

Amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny teny grika, amin' ny Epistily faharoan' i Petera (2Pet 2.4) dia ny teny hoe Τάρταρος / Tartaros no ampiasaina: "Fa raha tsy navelan' Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin' ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin' ny fitsarana" (Ny Baiboly) / "Fa matoa tsy namindra fo tamin' ny anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itànany azy ho amin' ny fitsarana" (Ny Baiboly Masina)"

Hadesy

Ny Fanjakan' i Hadesy na Hadesy, ao amin' ny fedrà grika, dia ny fanjakan' ny maty. Toerana any ambanin' ny tany izany izay anjakan' ilay andriamanitra atao hoe Hadesy, ka izany no ilazana izany toerana izany hoe "fanjakan' i Hadesy". Ny Hadesy ao amin' ny fedrà grika dia tsy mitovy amin' ny an' ny fivavahana kristiana. Amin' ny teny grika dia ᾍδης / Hádēs na Ἅιδης / Háidēs no iantsoana ny Hadesy. Ny Rômana dia manao amin' ny teny latina ny Hadesy hoe Inferni, izay matetika adika amin' ny teny malagasy hoe fiainan-tsy hita na toeran' ny maty.

Hita ao amin' ny Matio (11:23; 16:18), Lioka (10:15), Asan' ny Apôstôly (2:27, 2:31), ny Apôkalipsy (1:18; 6:8; 20:13-14) ny fampiasana ny teny hoe ᾍδης/ Hades.

Andalana ahitana ny hoe "afobe":
Andalana ahitana ny hoe "fitoeran' ny maty":
Andalana ahitana ny hoe "Fonenan' ny maty":

Fiainan-tsi-hita araka ny Baiboly

Mampiasa ny teny hoe Hadesy ny Testamenta Vaovao hanondroany ny fonenana na ny toetran' ny maty. Amin' ny andalan-tsoratra sasany dia toa maneho toerana sady tsy soa tsy ratsy izay iandrasan' ny maty ny fahafatesana, ny fandevenana, ary ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty ny Hadesy.

Maro ny andalana ao amin' ny Testamenta Vaovao izay misy mihevitra fa azo anatsoahana hevitra fa nidina tany amin' izany fanjakan' ny maty izany i Kristy, mba hitondra ny olo-marina ho any any amin' ny Lanitra na noho ny antony hafa, arakaraka ny fivoasana ata-teôlôjia. Misy andalana hafa ao amin' ny Testamenta Vaovao izay azo anatsoahana hevitra fa toeram-pijaliana ho an' ireo olon-tsy marina izany, ka izany dia mitarika ho amin' ny fiheverana fa mety misaraka roa miavaka tsara izany toerana izany.

Fiainan-tsi-hita ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy

Izao ny andalana ao amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy ahitana ny teny hoe "fiainan-tsi-hita":

Fitoeran' ny maty sy Afobe ao amin' ny Baiboly katôlika malagasy

Ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy edisiona tamin' ny taona 1938 dia tsy teny na andian-teny tokana no andikana izay ataon' ny Prôtestanta hoe "fiainan-tsi-hita" na "fiainan-tsy hita", fa indraindray "afobe", indraindray "fitoeran' ny maty" ary indraindray "fonenan' ny maty".

Andalana tsy ahitana mivantana ny teny hoe fiainan-tsy hita ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy

Na dia tsy ahitana ny teny hoe "fiainan-tsy hita" aza ireto andalana manaraka ireto dia mihevitra ny teôlôjiana maro fa mampiasa teny mitovy hevitra amin' ny hoe "fiainan-tsy hita" izy ireo.

Ny andininy faha-8 dia fanapahana ny famerenan-teny naitatra avy tamin' ny Salamo 68.18, misy fiovana fijery: "Efa niakatra ho any amin' ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin' ny olombelona Hianao - eny, teo amin' ny maditra aza,- mba hitoeran' i Jehovah Andriamanitra any." Ny andininy anaty fonosana (Efes 9-10) dia fanazavana famakafakana ny lahatsoratra. Ny teny nadika hoe "ambanin' ny tany" (endrika fampitahana: τὰ κατώτερα / ta katôtera) dia mitovy amin' ny teny hoe "fiainan-tsy hita" ao amin' ny dikan-teny grikan' ny Fanekem-pinoana apôstôlika (ny endrika soperlativa: τὰ κατώτατα / ta katôtata).

Andalana tsy ahitana mivantana ny teny hoe Afobe na Fitoeran' ny maty ao amin' ny Baiboly katôlika malagasy

Na dia tsy ahitana ny teny hoe "afobe" na "fitoeran' ny maty" aza ireto andalana manaraka ireto dia mihevitra ny teôlôjiana maro fa mampiasa teny mitovy hevitra amin' ny hoe "afobe" na "fitoeran' ny maty" izy ireo.

Firesahana ny fiainan-tsi-hita ao amin' ny fiekem-pinoana

Ny Fanekem-pinoana apôstôlika na Sembolin' ny Apôstôly sy ny Fanekem-pinoana atanaziana na Sembolin' i Atanazy (ilay atao hoe Quicumque Vult) dia milaza ny fidinan' i Kristy any amin' ny fiainan-tsi-hita na fonenan' ny maty io, fa ny Fanekem-pinoana nikeana dia tsy ahitana izany fa milaza fotsiny fa nalevina i Kristy.

Ny fiainan-tsi-hita araka ny Fanekem-pinoana apôstôlika

Tsy fantatra raha tena avy amin' ny apôstôly marina ity fanekem-pinoana ity, nefa ny lohateniny dia toa milaza fa ny fehezankevitra tsirairay ao amin' io fiekem-pinoana io dia mampahatsiahy izay voasoratra ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary ny fanekem-pinoana dia nosoratana tamin' ny vanimpotoana niandohan' ny Fiangonana. Ireto ny andalana ao amin' io fiekem-pinoana io miresaka ny zavatra tokony hinoana momba ny fiainan-tsi-hita na ny fitoeran' ny maty:

Ny fiainan-tsi-hita araka ny Fanekem-pinoana atanaziana

Ny Fanekem-pinoana atanaziana na Sembôlin' i Masindahy Atanazy dia fanekem-pinoana kristiana manamafy ny maha Trinite an' Andriamanitra sy ny fifandraisan' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny fitoviany sy ny fahasamihafany. Noho izy ahitana ny filazana ny amin' ny "fivoahan' ny Fanahy Masina amin' ny Zanaka" (atao amin' ny teny latina hoe Filioque) dia tsy mampiasa azy ny Fiangonana Tatsinanana izay nanohitra izany. Izao ny filazana ny amin' ny fiainan-tsi-hita na ny fitoeran' ny maty ao amin' io fiekem-pinoana io:

"(...) Qui passus est pro salúte nostra, descéndit ad ínferos, tértia die resurréxit a mórtuis, Ascéndit ad coelos, sedet ad déxteram Dei Patris omnipoténtis, inde ventúrus est judicáre vivos et mórtuos. (...) "

"(...) Izay nijaly hamonjena antsika, nidina tany amin’ ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’ ny Ray izy, avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty (...)".

Jereo koa