Sarin-tany maneho ny faritra misy ireo fitenim-paritra eto Madagasikara

Ny fiteny antanosy dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Antanosy, izany hoe ao amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara, dia ny faritra Anosy, eo anelanelan' i Masianaka sy Mandrare, nefa ahitana azy koa ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (distrikan' i Sakaraha)

Misy fitotoviany amin' ny fitenim-paritra any atsimon' i Madagasikara, indrindra ny fiteny antandroy sy ny fiteny antesaka ary ny fiteny bara, ny fiteny antanosy. Izy no fiteny malagasy nosoratana voalohany amin' ny abidy latina (vavaka kristiana amin' ny fiteny antanosy). Any amin' ny 76 100 ny Malagasy miteny antanosy.

Jereo koa

Fiteny malagasy

Vahoaka malagasy

Boky azo anovozan-kevitra