Ny fandresen'i Mordekay, sary nataon'i Pieter Pietersz Lastman, taona 1624.

Ny Porima dia fety jiosy avy amin' ny Baiboly sady naorin' ireo raby izay ahatsiarovana ny zava-niseho tantaraina ao amin' ny Bokin' i Estera, dia tsy inona fa ny fanafahana mahagaga ny Jiosy tamin' ny fandringanana nokononkononin' i Hamana ilay Agadita tao amin' ny Empira Persiana tamin' ny fotona nanjakan' i Ahasoerôsy na Asoerôsy (na Kserksesy I). Ankalazaina isan-taona amin' ny faha-14n' ny volana Adara izany amin' ny tetiandro hebreo, izay mifandrify amin' ny tenantenan' ny volana Febroary na Marsa ao amin' ny tetiandro gregoriana.

Deblas
Sofin' i Hamàna

Maro ireo fombafomba amam-panao natovona an'ireo fomba efa voasoratra ao amin' ny Bokin' i Estera sy andidian' ny olon-kendrin' ny Mishna, indrindra ny amin' ny sakafo, ka anisan' izany ilay nahandro antsoina amin' ny teny hebreo hoe אוזן המן / ozen Haman (izay midika hoe "sofin' i Hamàna") na amin' ny teny idisy hoe המן טאש / Hamantashen (izay midika hoe "paosin' i Hamàna") na דבלאס / deblas ary ny fanehoam-piravoravoana sy ny fampiasana zavamaneno mikorintsana amin' ny fanononana ny anaran' i Hamàna.

Jereo koa