Rasoherina

Rasoherina dia mpanjakavavy malagasy nanjaka tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1863, nahafatesan-dRadama II vadiny, hatramin' ny taona 1868.

Fiainany manokana

Teraka tamin' ny taona 1814 izy, ka Rabodozanakandriana izay nohafohezina amin' ny hoe Rabodo fotsiny no niantsoana azy talohan' ny naha mpanjaka azy, ary maty tamin' ny taona 1868.

Nanambady an-dRainivoninahitriniony izy nefa nisarahany io ka Rainilaiarivony indray no lasa vadiny izay tena nitantana ny raharaham-panjakana.

Fiakarana teo amin' ny fitondrana

Taorian' ny fanandramam-panonganana dia nomen' ny tandapa fahafahana manjaka Rasoherina (1863-1868) vadin-dRadama, raha manaiky fizaram-pahefana amin' ny Praiminisitra izy. Izany fifanarahana ara-piarahamonina izany dia ho tanteraka amin' ny alalan' ny fanambadiana manana endrika pôlitika. Nanaiky ny mpanjakavavy Rasoherina ka nanambady an' i Rainivoninahitriniony, ary taorian' ny fanonganana azy dia nanambady ny rahalahiny Rainilaiarivony (1864-1895), izay hanambady an-Ranavalona II (1868-1883) sy an-dRanavalona III (1883-1897).

Fifehezana ny vahoaka

Raha nanome fahalalahana tanteraka teo amin' ny varotra, ny indostria ary ny finoana isan-karazany Radama II tamin' ny androny, ireo nandimby ny asany kosa dia nanararaotra namoaka karazan-dalàna tamin' ny anaran' ny mpanjakavavy, ka anisan' izany ny famerenana ny famelohana ho faty, saingy ny mpanolotsaina ambony eo amin' ny firenena ihany no mahazo mampihatra izany, ary voaantoka ny fahalalahana ara-pinoana.

Fifandraisana amin' ny vahiny

Nanao fifanarahana ara-barotra na ara-pôlitika tamin' ny Frantsay sy ny Britanika ary ny Amerikana i Rasoherina. Tsy te-hiverina intsony amin' ny hasiahana sy habibiana nanjaka tamin' ny andron-dRanavalona I ny fitondrana vaovao, saingy tsy nekeny kosa ny fifandraharana tamin' i Frantsa izay nosoniavin-dRadama II.

Fitondrana nankinina tamin' ny praiminisitra

Ny mpanjakavavy, izay notokanana ho mpanjaka tamin' ny 30 Aogositra 1863, dia nitondra ny anaram-boninahitra mpanjakavavy fotsiny, fa ny tena nandidy teo amin' ny fitondrana dia ny praiminisitra Rainivoninahitriniony.

Raha nivadika ho prôtestanta ny praiminisitra dia somary nanomboka nandrara ny finoana katôlika izy. Kanefa na dia natahotra ity lehilahy tsy refesi-mandidy ity aza Rasoaherina, dia vitany ihany ny nanolo azy tamin' ny zandriny manaraka azy, Rainilaiarivony, tamin' ny 14 Jolay 1864.

Fiafarany

Rehefa narary nandritra ny fotoana lavalava ny Mpanjakavavy Rasoaherina dia niamboho tamin' ny 1 Aprily 1868. Ranavalona II no nandimby azy rehefa maty izy tamin' ny taona 1868.

Jereo koa

Boky