Sikidy Tool

Ny sikidy dia anisan' ny fanao enti-mamantatra ny saro-pantarina, indrindra ny hoavy, izay mifototra amin' ny famakafakana ny soratra (atao hoe sora-tsikidy) foronin' ny fitambaran' ny antoko (sary ba zavatra azo tsapain-tanana toy ny voan-javarea na vatokely, sns) miisa efatra misy tebola tokana na roa avy (na teboka sy tsipika). Ny voan-javatra na vatokely na zavatra hafa dia atsipy miataka amin' ny toerana iray. Misy koa ny manipy taikely, na manisa tsipika natao amin' ny hazo eo amin' ny fasika, na manisa tsipika natao amin' ny taratasy amin' ny alalan' ny penina na amin' ny fijerena ny singa voalamina ao amin' ny zavaboary tsy misy fandraisana anjaran' ny olombelona.

Ny faminaniana amin' ny alalan' ny sikidy dia mifototra amin' ny sora-tsikidy maromaro, izay misy andalan-teboka efatra, ankasa (mandeha tsiroaroa) na tsiankasa (mandeha tsirairay). Amin' ny alalan' ny fikambananan' ny sora-tsikidy tsotra samy hafa, ny fisarihana ny sora-tsikidy dia volavolaina mba hamoronana kisary natao hotakarin-kevitra. Ny dikan' ny kisarin-tsikidy, ny toerana misy azy ao amin' ny ao amin' ny kisary lehibe azo sy ny fifandraisana ao anatin' ny antokon-kisary (fiverimberenana, fifanoherana, sns) dia heverina rehefa atao ny fandikana.

Ny sikidy dia fantatra indrindra manerana an' i Afrika sy Eorôpa talohan' ny andro ankehitriny, saingy fanao voarara tamin' ny Renaissance tao Eorôpa. Misy fanao afrikana maromaro, ny sasany tena akaiky ny fanaon' ny Arabo, nefa koa fomba avy amin' ny fivavahana vôdo azo tamin' ny alalan' ny andriamanitra Fa (na Ifa), andriamanitry ny sikidy. Amin' ity sijidy vôdo ity, ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo dia raisina tsiroaroa, ka manome fikambanana 256. Misy koa ny sikidy atao hoe i ching sy feng shui izay fahita any Sina, ny kumalak fahita any amin' ny faritra Azia Afovoany, ary ny vastu shastra fahita any India).

Jereo koa