Ny Talata dia andro faharoa ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahatelo kosa raha ny Alahady ny andro voalohany. Amin' ny Malagasy manaja ny nentin-drazana dia andro fahenina izy raha manomboka amin' ny Alakamisy ny herinandro.
Ny teny malagasy hoe Talata na Atalata dia avy amin' ny teny arabo hoe الثلاثاء / ath-thulathā’.izay midika hoe "ny telo" na "ny fahatelo".
Andro natokana hivoahan' ny Andriana sy fananterana ny zavatr' andriana ny andro Talata. Io no tsara hivoahan' ny tafika fa tsy ny Alatsinainy. Tsy azo atao ny mamangy manjò amin' ny Talata[1].