19°51′57″S 47°02′00″E / 19.865860°S 47.033330°E / -19.865860; 47.033330

Antsirabe
Velarantany 180 km2
Isam-ponina 265 018 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Faritra Vakinankaratra
Antsirabe

Antsirabe dia tanana fahatelo lehibe ao Madagasikara raha ny isan'ny mponina no jerena.

Jeografia

Eo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Araka ny fanisana natao ny Janoary 2005 dia manodidina ny 182 804 ireo mponina ao. Amin'ny haavo (altitude) 1 500 metatra Antsirabe ka voahodidina "volcan" izy. Antsirabe no tanàna mangatsiaka indrindra ao Madagasikara ka tonga hatrany amin'ny 0°C rehefa ririnina.

Manana seranam-piaramanidina Antsirabe.

Tantara

Antsirabe dia midika hoe "ilay feno sira".Io anarana io dia avy amin'ny nahitana ilay rano misy sira. Ilay tanàna dia namboarin'ilay misionera norvezianina tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, izay, angamba nahita ilay fahagagana izay tsy takatrin' ny saina, izany hoe, ilay rano tany Antsirabe dia anisan'ny rano mahery eran-tany. Taloha, ny mpanjana-tany vazaha dia nanitatra ilay hevitra hatramin'ny farany

Indostria

Antsirabe no faritra be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.

Fizahan-tany

Inona no zavatra tena anenenan'ny olona raha tsy nataony rehefa nandalo an'Antsirabe :

Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny bisikileta. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.

Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io faritra io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :

Tanàna rahavavy

Jereo koa

Renivohi-paritany eto Madagasikara

Renivohi-paritra eto Madagasikara

Loharano

  1. Atlas français de la coopération décentralisée et des autres actions extérieures sur Ministère des affaires étrangères. Novangiana tamin'ny 12 janvier 2010