Ny fanompoan-tsampy dia fivavahana amin' ny sarin-javatra. Nefa ho an' ny fivavavahana jiosy sy kristiana ary silamo dia fanompoan-tsampy koa ny fivavahana amin' ny zavatra iray na inona na inona izay tsy Andriamanitra na ny fivavahana amin' andriamanitra tsy izy. Matetika ny fanompoan-tsampy dia miseho amin' ny alalan' ny fivavahana amin' ny masoandro na amin' ny volana na amin' ny kintana na zavatra hafa izay anaovana fanompoam-pivavahana sy sorona sy fanatitra ary vavaka.

Niely teo amin' ireo sivilizasiona malaza taloha toa ny an' ny Babilôniana sy ny Ejipsiana sy ny Grika sy ny Hindoa ary ny Rômana ny fanompoan-tsampy. Ny fivavahana amin' ny sampy dia tafiditra tao amin' ny vahoakan' i Israely noho ny fifaneraserany tamin' ny kolontsaina babilôniana sy ejipsiana ary tsy voatohitra izany raha tsy teo ny fiezahan' ireo mpaminany izay nandrara ny Hebreo tsy hanompo sarin-javatra. Tsy mankasitraka ny fanompoan-tsampy ny fivavahana kristiana ka misy ireo izay nanao sy mbola manao ny hampihena na ny tsy hampisy mihitsy ny fampiasana sary masina amin' ny fivavahana kristiana.

Araka ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo, ny fanompoan-tsampy dia fahasimban' ny fivavahana sy fialana amin' ny fivavahana marina ka tokony hiadiana; fialana amin' ny lalana tena izy ny fanompoan-tsampy.

Talohan' ny nidiran' ny fivavahana kristiana sy silamo teto Madagasikara dia nanjaka teo amin' ny sokajin' olona rehetra, hatramin' ny olon-tsotra ka hatramin' ireo andriana, ny fanompoan-tsampy ary mbola be mpanaraka izany hatramin' izao, amin' ny maha isan' ny fivavahan-drazana malagasy azy.

Amin' ny fitenim-pirenena samihafa

Izao avy ny teny ilazana ny fanompoan-tsampy amin'ny fitenim-pirenena sasantsasany:

Fiteny semitika:

Fiteny indô-eorôpeana

Mitovitovy endrika ny teny ilazana ny fanompoan-tsampy amin' ny ankamaroan' ny fiteny indô-eorôpeana indrindra fa ireo naka avy amin' ny fiteny grika sy latina.

Fiteny aostrôneziana

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

  1. Jereo eto ny fanononana.
  2. Jereo eto ny fomba famakiana azy.