Nahita ny zanakavavin' ny olombelona ny zanak' Andriamanitra, sary nataon' i  Maurice Greiffenhagen

Ny Nefilima dia karazan' olona voalaza ao amin' ny Baiboly, vokatry ny firaisan' ny "zanak' Andriamanitra" tamin' ny zanakavavin' ny olombelona. Ny rain' ny Nefilima dia hevirin' ny maro fa anjely nikomy amin' Andriamanitra. Tamin' ny fisiany teto an-tany dia nitombo be ny fahotan' ny olombelona. Atao hoe הנּפלים izy ireo amin' ny teny hebreo. Taorian' io no nahatonga an' Andriamanitra handefa rano hanafotra ny tany manontolo mba handringana ny olombelona rehetra izay tsy nanoa azy sy ny ankamaroan' ny zavamananaina hafa.

Firesahana ny Nefilima ao amin' ny Baiboly

Ao amin' ny Genesisy

Ny Genesisy na Jenezy (6.1-4) dia milaza fa olo-mahery sy manan-daza izy ireo:

Ao amin' ny Nomery

Ny Nomery na Fanisana (13.31-33) kosa dia manao azy ireo ho rapetonolona:

Jereo koa