I Ozia na Oziasa izay atao hoe koa Azaria na Azariasa dia mpanjakan' i Jodà, zanak' i Amazia (na Amaziasa) tamin' i Jekôlia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ao amin' ny Baiboly dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan' ny nahazoan' ny aretina habokana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin' ny mpaminany Isaia (na Izaia) sy Hôsea (na Ôsea) ary i Amôsa (na Amôsy) izy.

Ny anarany

Atao hoe עֻזִּיָּה /ʿUziyāh na עֲזַרְיָה /ʿAzaryāh na עֲזַרְיָהוּ /ʿAzaryāhû izy amin'ny teny hebreo fa ᾿Οζίας / Ozias na ᾿Αζαρίας / Azarias amin' ny teny grika ary Ozias na Azarias amin' ny teny latina. Ny dikan' ny anarana hebreo hoe עֻזִּיָּה (ʿUziyāh) dia "heriko i Iahveh" - fa ny hoe עֲזַרְיָה (ʿAzaryāh) na עֲזַרְיָהוּ (ʿAzaryāhû) dia "nanampy i Iahveh".

Jereo koa

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).