Ronono
Eleveur de bétail

Ny ronono dia sakafo ranoka miloko fotsy amboarin'ny biby mampinono vavy. Ny ronono dia vokarin'ny fandranoka ao anatin'ny nono.

Siansa

Ny ronono dia ranoka fotsy, ny misy ao anatiny dia mety samihafa kely arakaraky ny karazana biby mampinono.

Fizika

Ny rononon'omby dia manana tahandanja 1,032. Haro fiharo ary mitsingilahila. Ny arakevitry ny rano dia fito ambin'ny valopolo isan-jato. Ny sisan'izay dia tavy (3,5-4,5%) ary tahantombo hafa toy ny gliokôzy, lipida, prôtida ary otrikanina, miaraka amina tahantombo mineraly toy ny kalsiôma, pôtasiôma, manganeza, kilaoro...

Simia

Ny pH dia somary marikivy (6,4 hatramin'ny 6,8 ho an'ny rononon'omby) mahery kelin'ny 7 ny pH an'ny rononon'olombelona (7,0-7,5). Mihamarikivy ny ronono rehefa mijanona elaela, satria lasa mivadika ho asidra laktika ny laktôzy.