Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
Република Сpбија ((sr))
Republika Srbija sr
(({nom_malgache))} ((mg))
sainan'i Serbia fanean'i Serbia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Samo Sloga Srbina Spašava
Teny ofisialy fiteny Serba
Renivohitra Belgrade
44°48′N 20°23′E / 44.800°N 20.383°E / 44.800; 20.383
Tanàna ngeza indrindra Belgrade
Fitondrana sy governemanta
 - filoha
 - Praiministra
Repoblika
Aleksandar Vučić
Miloš Vučević
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 111
88 3611 km²
0,13
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 81
10 159 046 mpo.
106,34 mpo./km²

(({1))}

Anaran'ny mponina Serbe
Sandam-bola Dinar serbe (hormis le Kosovo qui a adopté l’euro (RSD)
Faritr'ora UTC +1 (été +2)
Hiram-pirenena Bože Pravde
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+381

Endrika:Notes pays

I Serbia na Repoblikan' i Serbia, dia firenena ny Eorôpa Atsimo sy ao Eorôpa Afovoany, ao amin’ ny Saikanosy Balkanika. Mizara sisin-tany amin' i Bôsnia-Herzegôvina, amin' i Krôasia, amin' i Hôngria, amin' i Romania, amin' i Bolgaria, amin' ny Repoblika Masedônianina, amin' i Albania ary amin' i Môntenegrô i Serbia. I Belgrade no renivohiny. I Serbia dia ao amin’ ny antsaky ny tanin’ i Iogôslavia taloha. Amin' ny fiteny serba soratana amin' ny abidy sirilika dia Сpбија no anaran' i Serbia fa amin' ny fiteny serba soratana amin' ny abidy latina dia Srbija.

Ny vohon-tanin’ ity firenena ity dia ahitana tany lemaka ao avaratra, havoana sy tendrombohitra ao atsimo. Ny korian-drano lehibe indrindra any dia i Danuba izay mikoriana ao amin’ ny tapany avaratr’ ity firenena ity.

Anisan’ ny vahoaka slava ny mponina ao Serbia. Ny Serbiana na Serba dia 80 %n’ ny mponina ao. Ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahana be mpanaraka indrindra any (85 %n’ ny mponina).

Nitsilopilopy noho ny ady tao Iogôslavia (tamin’ ny taona 1991 hatramin’ ny 1995) sy ny sazy nampiharin’ ny fianakaviambe iraisam-pirenena  ny toekaren’ i Serbia. Mifototra amin’ ny voly voamadinika ny fambolena ary trandrahana koa ny ala. Naka tahaka ny rafi-toekaren’ ny Firaisana Sôvietika (izay nanjaka tamin’ i Iogôsavia taorian’ ny Ady Lehibe Faharoa) ny toekaren’ i Serbia ka ny taozava-baventy fitrandrahana sy fanodinana metaly no manan-danja indrinda ao.

I Serbia dia teraky ny fivakisan’ ny Repoblika Sôsialista Federativan’ i Iogôslavia tamin’ ny taona 1992 sy ny fizaràn’ i Serbia-Môntenegrô ho firenena roa mahaleo tena (Serbia sy Môntenegrô) tamin’ ny taona 2006. Tamin’ ny taona 2008 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Kôsôvô, izay faritany tao amin’ ny tapany atsimon’ i Serbia, faritany ahitana Albaney izay maro anisa ao.

Demôkrasia mônôkameraly ny fomba fitondrana ao Serbia.

Jereo koa

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Rohy ivelany