Sary:Uncyclopedia logo.png
Sary famantarana an'i Uncyclopedia : ovy mitondra ny anarana hoe Sophia, mamazivazy ny sary famantarana an'i Wikipedia.

Uncyclopedia, mitonon-tena ho « raki-pahalalan'ny fampahalalana diso », dia miavaka amin'ny raki-pahalalana fahita, satria izy dia ahitana fampahalalana iniana atao ho tsy marina na mivilana sy mahatsikaiky. Hala-tahaka an'i Wikipedia izy, nefa tsy amin'ny fomba mahasosotra fa mampihomehy, ary milaza aza izy fa ny Wikipedia no naka tahaka azy, na dia izy aza no nisy taorian'ny Wikipedia.

Votoatiny

Ny lahatsoratra hita ao amin'i Uncyclopedia dia mifanohitra amin'izay fantatry ny daholobe, kidaladala matetika, ary tsy misy ifandraisany firy na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tena zava-misy marina.

Ohatra, ny lahatsoratra algorithme dia manazava io teny io hoe « antony (rythme) mampandihy an'i Al Gore ». Ny lahatsoratra momba an'i Al Gore dia milaza fa tsy mbola afaka aseho io pejy io, ary tokony hamerina hamorona ny Internet i Al Gore.

Kitoatoa ny famaritana ny jeografia, tandrametaka ny fametrahana ny tanàna sy firenena : ny lahatsoratra Saxe ohatra dia mamaritra azy ho « Tanàna lehibe ao Frantsa andrefana akaikin'ny morontsirak'i Espaina ». I Billy Ocean ohatra dia anisan'ireo bambandrano (océan) lehibe indrindra eran-tany.

Vazivazy fahita matetika ny famoronana fitenin'olona iray, amin'ny endriny mitovitovy amin'ny fiteny fanaony, na amin'ny endrika hafa mihitsy.

Lohahevitra hafa fahita matetika :

Jesoa Original, Jesoa Zazakely sy Ultra Jesus mba hanampy ny tetika ara-barotry ny Fiangonana).

Renipejy

Anisan'ireo toerana manan-danja indrindra ny Renipejy. Nanjary fomba mahazatra teo ny mankalaza zava-mitranga maro (izay noforonina ny sasany). Ohatra amin'izany :

Ny Renipejy ihany koa no sehatra ahitana ny "sary ankehitriny" izay sary manala azy, ary iantsoana ny mpandray anjara hanao fifidianana.

Tantara

Ny volana janoary 2005 no nanomboka nisy ny Uncyclopedia, ary i Jonathan Huang (Chronarion) no isan'ny namorona azy. Tsy miankina amin'ny tetikasa Wikipedia izy, ary ny antony namoronana azy dia maro ireo lahatsoratra sy ampahan-dahatsoratra tao amin'i Wikipedia izay nangatahina hoesorina noho ny tsi-fahamatorany, nefa tsy tiana ho very tanteraka na dia izany aza fa mba havondrona anaty toerana anankiray. Marihina anefa fa tsy nampiasaina hanaovana dokambarotra azy mihitsy i Wikipedia kanefa nanjary toerana fametrahana ampahan-dahatsoratra mahatsikaiky momba ny lohahevitra maro samihafa izy.

Vetivety dia tsy nahazaka ny habeny intsony ny sehatra niantranoany, ary nanambara i Uncyclopedia tamin'ny 26 mey 2005 fa hifindra ao amin'i Wikia, ary ny 10 jiona 2006 dia nafindra lasa ho i Wikia, Inc no tompon'ny faritra uncyclopedia.org fa tsy i Chronarion intsony. Ny lisansy Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 2.0 no mifehy ny votoatiny, ary afaka alaina maimaim-poana ny banky angona itahirizana izany. Nahatratra 17.000 no isan'ny lahatsoratra tamin'ny Uncyclopedia amin'ny fiteny anglisy tamin'ny volana Jolay 2006, ary lasa isan'ireo sehatra ngeza indrindra ao amin'i Wikia izy.[1] Archived Aogositra 23, 2006 at the Wayback Machine

MediaWiki

Mba hahalafatra ny fandikana vilana an'i Wikipedia, dia mampiasa ny rindrankajy MediaWiki ihany koa i Uncyclopedia. Niforona koa ny tetikasa rahavavy sy ny endrika maro : Uncyclomedia Foundation[1] (Wikimedia Foundation), UnNews[2] (Wikinews), Unquotable[3] (Wikiquote), Undictionary[4] (Wiktionary), UnBooks[5] (WikiBooks), UnMeta[6] (Meta-Wiki), UnSource[7] (Wikisource), UnSpecies[8] (Wikispecies), ary UnCommons / Uncyclomedia Commons[9] (Wikimedia Commons).

Dikan-teny (Babel)

Ity no lisitry ny Uncyclopedia amin'ny tenim-pirenena samihafa tamin'ny volana Jolay 2006:

La tour de Babel Uncyclopædienne:
ar: العربية بيضيپيديا
ca: Català Valenciclopèdia
cs: Česky Necyklopedie
da: Dansk Spademanns Leksikon
de: Deutsch Uncyclopedia.de
el: Ελληνικά Ανεγκυκλοπαίδεια
en: English Uncyclopedia
es: Español Inciclopedia
fa: فارسی (Persian) نانشنامه
fi: Suomi Hikipedia
fr: Français Désencyclopédie
he: עברית איןציקלופדיה
hu: Magyar Unciklopédia
it: Italiano Nonciclopedia
ja: 日本語 アンサイクロペディア
la: Latina Necyclopædia
mg: Malagasy Hatsiklopedia
nl: Nederlands Onziclopedie
no: Norsk Ikkepedia
pl: Polski Nonsensopedia
pt: Português Desciclopédia
ru: Русский Абсурдопедия
sv: Svenska Psyklopedin
zh-tw: 中文(正體) 偽基百科
zh: 中文 伪基百科
meta: UnMeta Uncyclomedia Foundation
info: Babel (lisitra)

Ny somonga sy ny vazivazy dia tsy mitovy arakaraky ny tenim-pirenena. Ny olona sy lahatsoratra iantefan'izy ireny koa dia samy manana ny azy.

Torak'izany koa ny lalaon-teny izay tsy ho voadika amin'ny tenim-pirenena hafa.

References

  1. "Uncyclomedia Foundation". Archived from the original on 2006-07-18. Retrieved 2006-07-18.
  2. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées unnews
  3. "Unquotable". Uncyclopedia. Archived from the original (Wiki) on 2006-08-06. Retrieved 2006-07-18.
  4. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées undictionary
  5. "UnBooks - Uncyclopedia". Uncyclopedia. Archived from the original (Wiki) on 2006-07-17. Retrieved 2006-07-18.
  6. "UnMeta". Retrieved 2006-07-18.
  7. "UnSource". Archived from the original on 2006-07-21. Retrieved 2006-07-20.
  8. "UnSpecies". Archived from the original on 2007-05-19. Retrieved 2006-07-20.
  9. "UnCommons". Retrieved 2006-07-18.

Rohy ivelany