WikkaWiki

Mpamolavola:Ekipa mpamolavola ny WikkaWiki
Tao farany:1.4.2 / 2020-19-04
OS (SE):Cross-platform
mampiasa: Wiki
Lisansy:GPL
Sehatra: wikkawiki.org

WikkaWiki dia Rindrankajy wiki iray tena kely habe, fanaovana sehatra amin'ny tranonkala, nosoratana tamin'ny PHP ary mampiasa banky angona MySQL hitehirizana ny pejy. Iray amin'ireo solofon'ilay rindrankajy WakkaWiki izy, fa nampiana singa maro hafa vaovao. Namboarina ho haingam-piasa, azo itarina ary azo antoka izy, ary ny lisansy GPL no anaparitahana azy.

Tantara

Ny taona 2003, niato tampoka ny fivoaran'ilay rindrankajy WakkaWiki, raha mbola nidadasika indrindra ny tontolon'ny mpampiasa sy mpanohana ary mpankafy azy izay nizara fanatsarana, fanitarana ary fanavaozana azy. Ny volana mey 2004 no nivoaka voalohany i WikkaWiki, ary tonga dia niroborobo haingana, ary tsy niala tamin'ny lova soa avy amin'i WakkaWiki, dia ny fananana lohamilina "maivana" sy fango "mora vakiana sy mora ampiasaina".

Vina sy filamatra

Noho izy mora folahina hifanaraka amin'ny filàn'ny mpampiasa azy, na matianina na tsia, no tena ankafizana io rindrankajy io. Raha oharina amin'ireo wiki hafa vaventy, izay ahavitana zavatra marobe izy, dia ny hanana aty arak'izay kely indrindra nefa rafitra mora folahina sy itarina amin'ny alàlan'ny plugins kosa no tanjony.

Ny zava-bitany

Hosinganina amin'ireo zava-bita miaraka aminy ny:

  • sary;
  • Flash;
  • tabilao;
  • fango HTML azo antoka (esoriny izay kialo sy zavatra mety hampiahiahy);
  • RSS;
  • i-frames;
  • cartes sy données Freemind;
  • RSS maneho ny pejy vao niova tao amin'ny sehatra na koa ny tantaran'ny fanovàna ny pejy anankiray.
  • WikiPing, ahafahana mampiely ny fanovàna pejy any amin'ny solosaina hafa.

Hatramin'ny kinova 1.1.6.4 dia misy an'ireto ihany koa i WikkaWiki:

Ho avy

Tokony ho hita amin'ireo tao an-dàlam-pamolavolana ireto toetra ireto:

Torolàlana sy lesona

Misy sehatra ahitana torolàlana feno sy vaovao hatrany, miantefa amin'ny mpampiasa ny wiki rehetra, na ny olon-tsotra na ny mpanao ny rindrankajy, afaka manampy amin'ny fampiasàna sy fanitarana an'i WikkaWiki.

Jereo koa

Rohy ivelany