I Zaratostra, nataon'i Raphaël tamin'ny taona 1509

I Zaratostra na Zoroastra dia mpanavao ny fivavahana iraniana, dia ny mazdeisma. Ny fivavahana niforona vokatr'izany fanavaozana izany dia ny zoroastrisma na zoroastrianisma.

Ny fampianarany

Nnanomboka amin'ny maha mpisorona i Zaratostra tao amin'ny mazdeisma tao Persia, izay nahitana fombam-pivavahana momba ny sorona, dia ny fanaovana sorona biby. Nahita an'i Ahura Mazda, ilay Andriamanitra fara tampony, izy ka nanomboka nitory teny tamin-kafanam-po.

Tsy nankasitrahin'ny fianakavian'ireo saranga ambony mpiantafika ny fisainan'i Zoroastra izay te hampanjaka ny fahamarinana sy ny feon'ny fieritreretana. Mifanohitra amin'ny fanao sy ny toetsain'ireo fianakaviana ireo anefa izany sady mitady hanozongozona ny fahefan'ny mpitodra tamin'izany.

Jereo koa: