Ny fitsipi-pitenenana na fitsipiteny dia fitambaram-pitsipika momba ny fomba tokony hitenenana sy hanoratana ny fiteny iray, ka na amin' ny lafiny endri-teny izany na amin' ny lafiny fandrafetana fehezanteny, eny fa hatramin' ny hevi-teny sy ny feon-teny aza.

Voakasik' izany fitsipika izany:

Rehefa miteny isika, dia ny fitsipi-pitenenan' ny olona nobeazina tamin' ilay fiteny no ampiasaina. Rehefa manoratra, ny tanjona dia ny fampiasana fitsipi-pitenenana marina. Ny teny soratana sy ny teny tenenina dia samy manana ny endriny.

Jereo koa

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.