Fiteny amerindiana any Amerina Avaratra

Ny fiteny amerindiana dia vondrom-pitenin' ny tompon-tany any Amerika, tenenin' ny vahoaka amerindiana samihafa hatrany Alaska sy Groenlandy any avaratra ka hatrany Tierra del Fuego (frantsay: Terre de Feu) any Amerika Atsimo. Atao hoe amerikanista ireo manampahaizana momba ny fiteny amerindiana. Ny fiteny amerindiana dia tsy fianakaviam-piteny tokana fa vondrom-pianakaviam-piteny maro tsy mitovy habe sady ahitana fiteny manirery koa. Maro ireo koa fiteny amerindiana izay mila hofaty.

Ny isan' ny mpiteny amin' ny fiteny amerindiana isanisany dia miovaova arakaraka ny fiteny. Ny fiteny ketsoa sy ny fiteny aiamara sy ny fiteny goarany ary ny fiteny nahoaty, izay manana sata ôfisialy ao Bôlivia, ao Però, ao Paragoay ary ao Meksika dia tenenin' olona an-tapitrisany maro. Ny fiteny maposa dia tenenin' ny olona miisa antsasa-tapitrisa ao amin' ny faritra atsimo ao Silỳ sy Arjentina. Ny fiteny sasany dia tsy misy afa-tsy mpiteny vitsy be taona.

Na dia samihafa aza ny fiteny amerindiana dia azo avondrona ho fianakaviambem-piteny telo, na dia maro ny mpahay teny manohitra izany, dia:

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny