Akanga

Ny akanga dia vorona mitovitovy endrika sady iray karazana amin' ny akoho sy ny vorombola, fa izy somary kely loha sady manana volo mainty mipentipentina fotsy. Maro karazany ny akanga ka ny sasany fiompy fa sasany hafa akangadia. Miara-monina sy miara-mandeha ny akanga, ary tia mandeha sy mihazakazaka amin' ny tany na dia afa-manidina soa aman-tsara aza. 40 hatramin' ny 72 sm ny habeny ary fohy sady miondrika ny rambony. Misy dongona somary maranitra sady mafy ny tampon-dohany. Ompian' ny olona mba hatao haingon-tanàna ny akanga nefa koa azo ompiana mba ho hanin-kena. Ao Afrika izay tany fiaviany sady ahitana akangadia betsaka. Tsy mifidy zavatra hohanina ny akanga, ka haniny na ny ahitra maitso, na ny voamadinika (vary, katsaka, sns), ny bibikely, ny biby madinika (voalavo, sahona, sns), ny kankana, ny sifotra, sns.

Miisa eo amin' ny 12 hatramin' ny 15 ny atodin' ny akanga ary mamana manritra ny 27 hatramin' ny 28 andro mba hahafoy ny atodiny. Samy mandray anjara amin' ny fitaizana ny zanany ny akangalahy sy ny akangavavy.

Fiforonan-teny

Atao hoe kanga ny akanga amin' ny teny soahily fa ayam mutiara kosa amin' ny teny indôneziana sy maley.

Ohabolana malagasy momba ny akanga

Jereo koa