Akoho

Ny akoho dia vorona fiompy mpitsindroka iray karazana amin'ny vorombola sy ny vorontsiloza, somary bontolontolo vatana, fohifohy elatra, ompiana noho ny henany sy ny atodiny ary ny lahy dia ompiana mankana mba hampiadina na noho ny fanenony. Ny akoho no karazam-borona maro anisa indrindra satria nahatratra 27 300 000 000 ny isany tamin'ny taona 2018 raha 19 000 000 000 izany tamin'ny taona 2011. Gallus gallus domesticus no anarany ara-tsiansa. Amin'ny teny soahily ny akoho dia atao hoe kuku.

Raha tsy misy mamono ny akoho voakarakara ara-pahasalamana tsara dia mety velona hatramin'ny 18 taona, nefa 12 taona monja no fahelavelona mety ho tratrany noho ny fahasalamany marefo. Mitsahatra tsy manatody intsony ny akohovavy rehefa lany ny atody 600 hatramin'ny 1000 ao amin'ny tranona'atody tokana ao aminy. Mitranga alohan'ny fotoana anefa izany ho an'ny akoho fiompy.

Maro ireo aretina mety mahazo ny akoho, ka isan'izany ny giripim-borona, ny aretin'i New Caslte (izay atao hoe ramoretak'akoho na barika na bearika na pesta). Ao koa ny aretin'i Marek, ny aretin'i Gumboro. Mety hisy kankana ny ao amin'ny tsinaina'ny akoho. Ao koa ireo katsentsitra samihafa toy ny haon'akoho sy ny parasy.

Ohabolana malagasy momba ny akoho

Jereo koa