Debian dia mpandrindra milina mampiasa rindrankajy malalaka ary Open Source (manam-pango azo jerena ary ovaina) mitondra ny lisansa malalaka GNU/GPL miara-mihatra amin'ny lisansan'ny rindrankajy efa misy ao anatiny.
Noho ny fahalazany dia nisy mpandrindra milina roa hafa mifototra amin'ny renifangon'i Debian. Ny tena malaza amin'izy ireo dia Knoppix ary Ubuntu.
I Debian dia fizarazarana GNU/Linux tsy manan-tanjona ny hanangom-bola, naorin'i Ian Murdock tamin'ny 1993 miaraka amin'ny fanohanan'i Free Software Foundation ; ny tanjony amin'ny ankapobeny dia mamorona mpandrindra milina iray malalaka mampiasa rindrankajy malalaka. Ny tena fanononan'i Debian dia /debian/. Ny fihavian'io anarana io dia avy amin'ny fampikambanana ny teny Debra (vadin' Ian) ary Ian, ny mpamorona ilay tetikasa Debian.
Misy fototra telo ilay tetikasa Debian :
Amin'ny lafiny ara-pitsarana, tetikasan'ny fikambanana tsy manangom-bola manana anarana SPI (Software in the Public Interest) i Debian.
Ireo no talen-tetikasan'i Debian taloha : [1] :
Eo amin'ny dimy arivo sy roa hetsy eo no isan'ny pakajin-drindrankajin'i GNU/Linux izay amboarina ary kojakojain'ny mpamorona rindrankajy mahery ny iray arivo. Fantatra amin'ny mpikarakara pakejy ho azy manokana i Debian, izy ireo dia mitondra ny tovana .deb hahafahana manao fanavaozana ary mampiantoka mpandrindra milina ranoray. Betsaka ireo fitaovana izay mety zakan'i Debian x86, SPARC, PowerPC, MIPS (big ary little-endian), IA-64, S/390, AMD64, ARM, Alpha ary PA-RISC (amin'ny fomba ofisialy, tsy zakan'i Debian intsony ireo mpizara fitaovana roa farany ireo manomboka ny version "Squeeze"). Misy fitaovana manana firafitra hafa zakany, fa tsy zany amin'ny fomba ofisialy.
Misy fizarana telo azo ampiasaina isaky ny sampanana iray :
Misy fametrahana rindrankajy hafa ao amin'i Debian, sahala ireo fametrahana backports izay hahafahana mampiasa ny sampandraharaha fanaovana backporting ho an'ny mpampiasa ny "version stable", ankehitriny manohana ny petra-drakitra backport amin'ny fomba ofisialy i Debian.
Dpkg no rindrankajy reniny ampiasaina ho an'ny fikasikasihana ny pakejy (miantso azy koa i APT ho an'ny fametrahana ny rindrankajy). Ny dikan'i APT dia "Advanced Packaging Tool" (na "Fitaovana Fitantanana havanana kokoa ny pakejy amin'ny teny malagasy) dia interface havanana ho an'ny rafitra fitantanana ny pakejy Debian, izy io dia rindrankajy maro manomboka amin'i teny "apt-" (oh. : apt-get, apt-cache, apt-cdrom ...). Ankoatran'ny hamora ny fampiasany sy ny fahafahany manao zavatra maro, ny tena ilana azy dia ny fitantanany amin'ny fomba aotômatika ny fifampilana eo anivon'ny pakejy. Misy koa interface an-tsary ho an'io rindrankajy io : Synaptic.
Dselect no interface ho an'ny mpampiasa taloha, hahafahana mitantana ny pakejy moramora kokoa. Manomboka lasan'i Aptitude ny anjara toerany.
Miampy amin'izany koa dia misy petra-drakitra manana anarana backports ary hafa mitondra anarana Experimental izay mitondra ny pakajin-drindrankajy mbola andramana, mety manimba ny mpandrindra milina ny fampiasana ireo pakejy izay mbola atao andrana..
Ny Live CD (Kapila mahaleotena) koa dia misy ho an'i Debian, izy io dia hahafahana manandrana an'i Debian amin'ny alalan'ny fanatsofohana ny CD ao amin'ny toerany rehefa mandrehatra ny solosaina. Tsy mikasika ny zava-misy eo amin'ny kapila mangirana (HDD/disque dur)
|
Mpandrindra milina |
---|
Apple : System 5 · System 6 · System 7 · Mac OS 8 · Mac OS 9 |
Linux : Arch Linux · Debian · Frugalware · Fedora · Funtoo · Gentoo · Mandriva · Red Hat · Slackware · SUSE · Ubuntu |
GNU : Debian GNU/Hurd · Arch Hurd |
BSD : FreeBSD · NetBSD · OpenBSD · DragonFly BSD · PC-BSD |
Microsoft Windows : MS-DOS 1 2 3.x 95 · 98 · 98SE · 2000 · ME · XP · Vista · 7 |
IBM : AIX · MVS · OS/2 · OS/360 · OS/390 · z/OS · OS/400 |