Ny fitsarana farany fitsarana hataon' Andriamanitra amin' ny zavatra noforoniny, indrindra ny olombelona, any amin' ny fiafaran' ity tontolo ity, ka hanomezana ny valin' ny nataon' ny tsirairay sy ho androm-pifaliana ho an' ny mpino mahatoky, araka ny fampianaran' ny ankamaroan' ireo fivavahana abrahamika sy ny fivavahana hafa koa.

Ny fitsarana farany araka ny jodaisma

Ao amin' ny jodaisma dia maro karazany ny fomba fampianarana ny amin' ny fitsarana farany izay fantara amin' ny anarana hoe Andron' i Iahveh na Andron' ny Tompo ao amin' ny Testamenta Taloha kristiana na Yom Ha Din (יום הדין) ("Andron' ny Tompo") ao amin' ny Baibolin' ny jiosy amin' ny teny hebreo (Tanakh).

Ny Andron' i Iahveh araka ny Tanakh

Ny bokin' ny mpaminany (hebreo: נְבִיאִים / Nevi'im "Mpaminany") no tena ahitana ny amin' ny fitsarana farany ao amin' ny Baiboly jiosy (Tanakh), indrindra fa ao amin' ireo atao hoe "mpaminany farany" na "mpaminany taoriana" (hebreo: נביאים אחרונים / Nevi'im aharonim).

Bokin' i Isaia sy ny an' i Jeremia ary ny an' i Ezekiela

Bokin' i Isaia

Ao amin' ny Bokin' i Isaia dia ahitana firesahana ny amin' ny Andron' i Iahveh (Isa. 24 - 27) ka omen' ny mpandinika ny Baiboly anarana hoe Apôkalipsy lehibe. Mifantoka amin' ny faminaniana ny zavatra hitranga amin' ny faran' izao tontolo izao ireo toko ireo izay manambara ny loza mandrakizay hahazo sy ny fanavotana izay handimby ny fahababoana[1].

Bokin' i Ezekiela

Bokin' ny mpaminany roa ambin' ny folo

Miresaka matetika ny amin' ny Andron' ny Tompo ny mpaminany 12 (hebreo: תרי עשר / Trei Assar).

Bokin' i Jôela

Ny Bokin' i Jôela mirakitra ny faminanian' i Jôela izay mitaona ny vahoaka hibebaka sady mampanantena azy ireo fahasambarana ho avy amin' ny Andron' i Iahveh (hebreo: יוֹם-יְהוָה). Ao amin' ny Jôela 3.1-4.21 dia voalazan' ny faminaniana fa hisy famantarana eny amin' ny lanitra ary hanafika an' i Jerosalema ny firenena jentilisa izay hiangona ao amin' ny "lohasahan' i Jôsafata" dia ilay lohasaha hitsaran' i Iahveh azy ireo. Rehefa afaka izany dia hahagaga ny fahavokaran' ny tany ao amin' i Palestina voaova. Hisy rano miboiboika hiditra ao amin’ ny Tempoly, ao Jodà sy ao Ziôna vaovao.

Bokin' i Zefania

Miresaka ny amin' ny Andron' i Iahveh koa ny Bokin' i Zefania ka ataony hoe androm-pamaizana (Zef. 1.2 – 2.3) izany. Ho faizina noho ny ratsy nataony ny firenena (Zef. 1.1 – 1.18) nefa mialoha izany dia hampibebahina ny olona (Zef. 2.1 – 2.3). Ny Bokin' i Zefania (Zef. 1.14-18) no tena mamelabelatra an' izany Andron' i Iahveh na Andron' ny Tompo izany, izay maneho izany andro izany ho andro maizina feno zavona sady androm-pandravana ka hanenoan' ny trômpetra ao amin' ireo tanàna reraky ny tahotra.

Bokin' i Ôbadia

Miresaka momba ny Andron' i Iahveh koa ny Bokin' i Ôbadia (Oba. 1.16 - 1.21): harodana i Edôma, izany hoe hotsaraina sy hosazina ary hampijalin' Andriamanitra ny fahavalon' i Israely rehetra ary hanjaka ao Jerosalema renivohitr' izao tontolo izao Andriamanitra sy ny mpanjakan' i Israely.

Bokin' i Amôsa

Bokin' i Zakaria

Bokin' i Malakia

Ny boky soratra (ketuvim)

Ny boky atao hoe "soratra" (hebreo: כתובים / Ketuvim), indrindra fa ny Bokin' i Daniela dia miresaka ny amin' ny fahitana nasehon' Andriamanitra an' i Daniela.

Ny Bokin' i Daniela

Miresaka ny amin' ny fitsarana farany koa ny Bokin' i Daniela, indrindra ao amin' ny toko faha-7 sy faha-10 ary faha-12.

Fivoasan' ny Jiosy ireo zavatra voasoratra ireo

Tsy mitovy ny fampianaran' ny Jiosy ny amin' ny andro fitsarana. Ny fitsarana dia efa tanteraka isan-taona amin' ny Rosh Hashanah (heb: רֹאשׁ הַשָּׁנָה)[2], hoy ny sasany, ka ny finoana ny amin' ny hisian' ny andro farany hitsarana ny olombelona rehetra dia zavatra tsy marina. Miteny ny mpampianatra (raby) sasany fa hiseho aorian' ny fitsanganan' ny maty ho velona izany. Ny sasany koa mampianatra fa izany fitsarana izany dia misaho amin' ny andro ahafatesana. Ny hafa indray dia manazava fa izany fitsarana izany dia tsy hihatra amin' ny Jiosy fa amin' ny Jentilisa (hebreo: גויים / goyim) ihany[3].

Ny fitsarana farany araka ny kristianisma

Noraisin' ny Kristiana ho boky masiny koa ny Tanakh izay novany anarana hoe Testamenta Taloha nefa ny Testamenta Vaovao no heveriny fa manazava bebe kokoa ny hevitr' ireo soratra ao amin' ny Baiboly jiosy ireo. Na dia izany aza dia tsy mitovy hevitra ny fivavahana kristiana rehetra ny amin' ny fomba hitsarana ny olombelona any amin' ny farany, indrindra ny amin' ny fotoana hisehoan' ny fitsarana sy ny hanjo ny olombelona tsirairay.

Ny fitsarana farany araka ny Testamenta Vaovao

Tsy ny Apôkalipsin' i Joany ihany no miresaka ny zavatra hitranga any amin' ny fiafaran' izao rehetra izao, indrindra ny hiafaran' ny olombelona, fa miresaka izany koa ny evanjely sy ny epistily ao amin' ny Testamenta Vovao. Ny fanasarahana ny mpino mahatoky sy ny tsy mino dia oharin' i Jesoa amin' ny fanasarahana ny ondry sy ny osy, araka ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Mat. 25.31–36). Ny fidirana any amin' ny Fanjakan' ny Lanitra no valisoan' ny mpino mahatoky hatramin' ny farany. Oharin' i Jesoa amin' ny vavahady tery izany fidirana any amin' ny Fanjakan' ny Lanitra izany araka ny hita ao amin' io evanjely io ihany (Mat. 7:13–23). Fa ny tena miteny mivantana ny amin' ny fitsarana farany dia ny Apôkalipsin' i Joany (Apôk. 20.11–12) izay manamafy ny voalaza ao amin' ireo bokin' ny Testamanta Taloha, indrindra ny ao amin' ny Bokin' i Daniela sy ny Bokin' i Isaia.

Ny Evanjelin' i Matio

Tsy mora ny hidirana any amin' ny fanjakan' ny lanitra na ny fiainana mandrakizay:

Hanavaka ny mpanompo tsara amin' ny ratsy ny mpitsara:

Hijaly any amin' ny afo mandrakizay izay tsy mendrika.

Azo lazaina fa manamafy an' izany ny voalaza am-panoharana amin' ny faritra sasany hafa koa ao amin' io Filazantsara io (Mat. 7.16-20; 3.10-12).

Ny Evanjelin' i Lioka

Miresaka ny amin' ny fahasarotan' ny fidirana amin' ny fanjakan' ny lanitra ny mpanoratra ny Evanjelin' i Lioka.

Sazy ho an' izay voaheloka

Ny Apôkalipsin' i Joany

Fanavahana ny mendrika sy ny tsy mendrika amin' ny alalan' ny bokin' ny fiainana.

Ny fivoasan' ny fiangonana kristiana ny amin' ny fitsarana farany

Na dia voasoratra toy izany aza ny zavatra hitranga amin' ny fitsarana farany ao amin' ireo boky noraisin' ny kristiana ho Soratra Masina dia samy manana ny fomba fivoasany azy avy ny fiangonana tsirairay, indrindra ny mikasika ny fotoana hitrangan' izany sy ny toerana halehan' ny olona avy notsaraina.

Ny fotoana hisehoan' ny fitsarana

Mizara roa lehibe ny Kristiana ka ao ireo atao hoe amilenarista ary ao ireo atao hoe milenarista. Ny milenarisma no arahin' ny ny Fiangonana evanjelijka, ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, ny Vavolombelon' i Jehovah ary ny Olomasin' ny Andro Farany. Amilenarista kosa ny Anglikana, ny Katôlika, ny Ôrtôdôksa tatsinanana, ny Loterana, ny Metôdista ary ny Presbiteriana (na Nohavaozina).

Ny halehan' ny olona avy notsaraina

Mizara roa koa ny Kristiana ka ao ireo mino ny hisian' ny fijaliana fa ao koa ireo izay tsy mino izany fa mihevitra fa ho foanana tsy hisy fotsiny ireo olona tsy mendrika hiaina ao amin' ny fiainana mandrakizay ireo.

Araka ny finoana silamo

Ao amin' ny Kor'any, dia voasoratra ny Andron' ny Fitsarana (arabo: يَوْم الدِّينِ / Yawn al-Dyn "Andron' ny Fitsarana", na Andron' ny Famaliana) (andininy 1.4; 15.35; 26.82; 37.20; 38.78; 51.12; 56.56; 70.26; 74.46; 82.17; 82.18; 83.11), ohatra ao amin’ ny Soràta faha-26 dia izao no voasoratra: "Ary avy Aminy no itsiriritako ny famelana ireo heloko amin' ny Andron' ny Famaliana".

Ankoatran' ny Andron' ny Fitsarana, dia izao no voasoratra momba ny Andron' ny fitsanganana amin' ny maty (arabo: يوم القيامة: / Yawm al-Qiyāmah)[4].

Soràtan' ny Fitriarana (Al-Infitâr)

Izao no voalaza ao amin' ny Soràtan' ny Fitriarana (Al-Infitâr):

1 Rehefa triara ny lanitra, 2 sy rehefa niparitaka ny kintana, 3 sy nihoatra ny ranomasina 4 ary nikorontana ny fasana, 5 dia hahalala ny zavatra notanterahiny sy ny tsy nataony ny fananin’ ny olombelona tsirairay. 6 Ry olombelona! Inona no mampisalasala anao amin’ ny hamoram-pon’ ny Tompo 7 izay nahary anao, izay nanamboatra anao – izay namolavola anao amin’ ny fomba mirindra, 8 araka ny endrika tiany homeny anao ?

9 Raha tokony hidera Azy, ianao dia nanao ny Fitsarana farany ho lainga, 10 nefa manara-maso mandrakariva anareo 11 ny mpanoratra ambony (Anjely) 12 izay mahalala ny zavatra rehetra ataonareo! 13 Raha ny marina, ny olona tia vavaka dia hianoka ao amin’ ny fahafinaretana 14 fa ny tsy mino hatao ao anaty lafaoro lehibe, 15 ka hiaretany amin’ ny Andron’ ny Fitsarana farany, ny fampijaliany, 16 ka tsy ho afa-mandositra ao izy. 17 Ary iza no hanome anao ny hevitry ny amin’ ny Fitsarana farany? 18 Eny, iza no hanome anao ny hevitry ny amin’ ny Fitsarana Farany? 19 Ny andro izay tsy hahafahan’ ny fanahin’ iza na iza hiditra an-tsehatra hiaro ny fanahin’ olona hafa, satria, amin’ izany andro izany ny fanapahan-kevitra rehetra dia an’ Andriamanitra.

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana

  1. "Prophéties d’Ésaïe 24 à 26, Remarques sur l'Apocalypse", Bibliquest.
  2. Ny Rosh Hashanah (heb: רֹאשׁ הַשָּׁנָה) dia fety ankalazana ny taom-baovao jiosy sady andro fitsarana sady iandrasana famekan-keloha aorin'ny fibebahanaka. Ankalazaina isan-taona izany mandritra ny roa andro voalohany amin'ny volana tishri amin'ny tetiadnro hebreo.
  3. "Will there be trial and judgment after the Resurrection?". Will there be trial and judgment after the Resurrection? It isnt True I guess because Islam is the main religion and Allah will Punish the disbelievers. Askmoses.com.
  4. Jereo: 74.38 sy Al-Qiyâmah, Soràta faha-75.