Tetiandro jiosy maneho ny volana Adara II tanelanelan' ny taona 1927 sy 1948.

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin' ny fivavahana jiosy sy ny Fanjakan' i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin' ny volana sy ny masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay atovana isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin' i Metôna[1]. Avy amin' io tetiandro io no nahazoana ny tetiandro jiosy izay ampiasain' ny Fanjakana Israeliana.

Mety ho 353 na 354 na 355 (raha tsy misy volana faha-13, izany hoe ny Adara faharoa) ny totalin' ny andro ao anatin' ny taona iray. Marihina fa ny salan' ny taona manaraka ny fihodin' ny masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4 eo ho eo.

Ny fizaràm-potoana ao amin' ny tetiandro hebreo

Manomboka amin' ny filentehan' ny masoandro ny andro iray. Manomboka amin' ny Alahady ary mifarana amin' ny Asabotsy ny herinandro. Manomboka amin' ny andro ahatsinanan' ny volana ny iray volana (hebreo: חודש / hodesh). Misy 12 volana ny taona iray nefa isaky ny telo taona dia misy 13 volana.

Ny anaran' ny andro

Misy fito andro ny ao anatin' ny iray herinandro (hebreo: / shavu'a) amin' ny tetiandro hebreo. Manomboka amin' ny filentehan' ny masoandro izay iafaran' ny andro eo alohany fa tsy amin' ny misasak' alina ny andro hebreo iray. Tsy manana ny anarany manokana ny andro tsirairay fa antsoina amin' ny laharany ka ny mifanandrify amin' ny Alahady no andro voalohany ary ny mifanandrify amin' ny Asabotsy no andro fahafito. Ireto avy ireo anaran' andro na laharan' andro ao amin' ny herinandro ireo:

  1. Yom Rishon / יום ראשון‬ ("andro voalohany" - Alahady);
  2. Yom Sheni / יום שני‬ ("andro faharoa" - Alatsinainy);
  3. Yom Shlishi / יום שלישי‬ ("andro fahatelo" - Talata);
  4. Yom Reviʻi / יום רביעי‬ ("andro fahefatra" - Alarobia);
  5. Yom Khamishi / יום חמישי‬ ("andro fahadimy" - Alakamisy);
  6. Yom Shishi / יום ששי‬ ("andro fahenina" - Zoma);
  7. Yom Shabbat / יום שבת‬ ("andro fitsaharana" - Asabotsy).

Ny Yom Shabbat (יום שבת‬ ) dia azo hafohezina hoe Shabbat (שבת) fotsiny na halavaina hoe Yom Shabbat Kodesh (יום שבת קודש‬) izay midika hoe "andro fitsaharana masina".

Ny anaram-bolana

Ny anaram-bolana talohan' ny Fahababoana

Ao amin' ny Baiboly dia voalaza fa ny taona iray misy 12 volana araka ny hita ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka sy ny Boky voalohan' ny Tantara (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin' ny Genesisy dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain' ny Hebreo talohan' ny fahababoana fa tsy mitovy amin' ny ampiasaina amin' izao fotoana izao. Amin' ny ankapobeny dia ny laharan' ny volana ao amin' ny taona no natao anaran' ny volana.

Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly, dia ireo nogasina hoe Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib), Ziva (hebreo: זיו / Ziv), Etanima (hebreo: אֵתָנִים / Ethanim) ary Bola (hebreo: / Bul). Ny Abiba (Aviv) no volana voalohany, ny Ziva (Ziv) no faharoa, ny Etanima (Ethanim) no fahafito, ny Bola (Bul) no fahavalo. Heverina ho avy amin' ny anaram-bolana kananita izy ireo. Ny volana Aviv (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy sy ny Bokin' ny Deoterônômia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volana Ziv (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volana Ethanim (midika ara-bakiteny hoe "mahery", endrika milaza maro) dia voaresaka ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volana Bul dia voaresaka ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka koa (1Mpan. 6.38).

Ny anaram-bolana taorian' ny Fahababoana

Ireto avy ny anaran' ny volana ao anatin' ny taona iray taorian' ny fahababoana izay heverina fa avy amin' ny anaram-bolana babilôniana (filaharana tsy ara-pivavahana):

  1. Tishri (hebreo: תשרי) manitsaka ny volana Septambra sy Ôktobra (30 andro);
  2. Heshvan (hebreo: חשון) manitsaka ny volana Ôktôbra sy Nôvambra (29 na 30 andro);
  3. Kislev (hebreo: כסלו) manitsaka ny volana Nôvambra sy Desambra (30 andro);
  4. Tevet (hebreo: טבת) manitsaka ny volana Desambra sy Janoary (29 andro);
  5. Shevat (hebreo: שבט) manitsaka ny volana Janoary sy Febroary (30 andro);
  6. Adar (hebreo: אדר א) manitsaka ny volana Febroary sy Marsa (29 andro);
  7. Nisan (hebreo: ניסן) manitsaka ny volana Marsa sy Avrily (30 andro);
  8. Iyar (hebreo: איר) manitsaka ny volana Avrily sy May (29 andro);
  9. Sivan (hebreo: סיון) manitsaka ny volana Mey sy Jona (30 andro);
  10. Tammuz (hebreo:תמוז) manitsaka ny volana Jona sy Jolay (29 andro);
  11. Av (hebreo: אב) manitsaka ny volana Jolay sy Aogositra (30 andro);
  12. Elul (hebreo: אלול) manitsaka ny volana Aogositra sy Septambra (29 andro).

Ao amin' ny Baiboly dia ny volana Nisana (Nisan) no voalohany ary ny Adara (Adar) no faha-12. Toy izao ny filaharan' ny volana ao anatin' ny taona (filaharana ara-pivavahana):

  1. Nisan
  2. Iyar
  3. Sivan
  4. Tammuz
  5. Av
  6. Elul
  7. Tishri
  8. Heshvan
  9. Kislev
  10. Tevet
  11. Shevat
  12. Adar

Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampiana Adar I (hebreo: 'אֲדָר ב / Adar Alep) izay apetraka ao aorian' ny Shevat amin' ny Adar II (hebreo: 'אֲדָר ב / Adar Bet). Ny Adar I izany dia volana faha-13 (misy 30 andro).

Fampitahana ny anaram-bolana babilôniana sy hebreo

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12
Babilôniana Nisanu Ayaru Simanu Dumuzu Abu Ululu Tashritu Arakhsamna Kislimu Tebetu Shabatu Adaru
Hebreo Nisan Iyar na Iyyar Sivan na Siwan Tammuz na Tamuz Av na Ab Elul Tishri Heshvan na Markheshvan Kislev na Kislew Tevet na Tebet Shevat na Shebat Adar

Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo

Maromaro ireo andro ankalazain' ny Jiosy na Jody ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin' ny Tanakh fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano sy fanamarihana

  1. I Metona dia filozofa grika velona tamin'ny taonjato faha-5.