Horonan-tsoratry ny Torah

Ny Torah (תּוֹרָה), izay midika hoe "lalàna", dia fitambaran' ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly amin' ny teny hebreo (Tanakh). Izy no fizaràna voalohany ao amin' ny Tanakh, eo alohan' ny Nevi'im sy ny Ketuvim. Indraindray dia atao hoe "Boky dimin' i Mosesy (na Môizy)" izy ireo. Ao amin' ny Baiboly kristiana dia ireto ireo boky ireo: ny Genesisy (na Jenezy) sy ny Eksôdosy (na Esaody) sy ny Levitikosy (na Levitika) sy ny Nomery (na Fanisana) ary ny Deoterônômia (na Deoterônômy). Ny fitambaran' ireo no tondroina koa amin' ny hoe Pentateoka ao amin' ny asasoratra kristiana.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe תּוֹרָה / Torah dia teny hebreo izay midika hoe "lalàna", "toromarika" na "fampianarana".

Ireo boky ao amin' ny Torah

Ireto avy ny anaran' ny boky ao amin' ny Torah amin' ny teny hebreo:

Torah am-bava

Ny Torah am-bava, izay atao amin' ny teny hebreo hoe תורה שבעל פה / Torah SheBe'al Pe, dia ny foto-pampianarana sy ny tahirin-dahateny nampitaina am-bava ao amin' ny fivavahana jiosy, sy fanampin' ny "Torah voasoratra" (Lalàna voasoratra).

Araka ny finoan' ny jodaisma rabinika ny Torah am-bava dia tokony tsy hivaona amin' ny endriny voalohany tamin' ny nanolorana azy tany Sinay (na Sinaia), ka noho izany dia mila olona mpamerimberina (hebreo: תנאים / Tannaim) izay miantoka ny fampitana ny fampianarana sy mamerina ny teny nampitana azy hatramin' ny voalohany. Mivoatra ny fivoasana ny Torah.

Am-bava tokoa io lovantsofina io tamboalohany, nefa taty aoriana dia nampandrina an-tsoratra amin' ny ampahany tamin' ny taonjato voalohany ao amin' ny Midrasa (hebreo: מִדְרָשׁ / Midrash) sy ao amin' ny Misna (hebreo: משנה / Mishnah) ary ao amin' ny Talmoda (hebreo: תַּלְמוּד / Talmud) sy ny Fifamaliana (hebreo: שאלות ותשובות / She'elot uTeshuvot) ary ny asa soratry ny Raby taty aoriana.

Jereo koa

Fizaràn' ny Baiboly hebreo

Fivoasana ny Baiboly hebreo

Hafa