Ny Saoaly dia volana fahafolo ao amin' ny tetiandro mozilmana. Ny fankalazana ny fetin' ny fahataperan' ny fifadian-kanina na Idy (arabo: عيد الفطر / ʿīd al-fiṭr) amin' ny andro voalohany amin' io volana io no manamarika azy. Manarakaraka ny volana Ramadany ny volana Saoaly. Amin' ny teny arabo dia atao hoe شوّال / Shawwal ny anaran' io volana io. Ny volana Ramadany no eo alohany fa ny volana Doalkidà kosa no manaraka azy.

Jereo koa