Ny Asotry na Sotry dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Asaramanitra no eo alohany ary ny Vatravatra no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy mampiasa teny hafa tanteraka toy ny hoe Zonjo na Zonjona na Asotrizonjona, sy ny hoe Sotrindambo, ary ny hoe Mianjoloka, Manjoloka na Anjoloka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Antambahoaka dia volana fahatelo ny Asotry, volana fahenina amin'ny Bezanozano, volana voalohany amin'ny Sihanaka, volana faha-12 amin'ny Betsimisaraka (Rakotosaona, 1972)[1].

Anaram-pizaran-taona ny Asotry amin'ny faritra maro eto Madagasikara, ka ilazana ny fizaran-taona sady maina no mangatsiaka. Ny Asotry dia fizaran-taona mahafaoka ny fararano sy ny ririnina amin'ny Antemoro, fa ny ririnina ihany amin'ny Antesaka sy ny Bara (Rakotosaona, 1972)[1].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. 1,0 et 1,1 "Asotry", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara