Ny Hiahia dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Volamaka no eo alohany ary ny Sakamasay no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manonona hoe Tsiahia na Sahiahia. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Antesaka dia volana fahafito ny Hiahia, fa fahadimy amin'ny Sihanaka sy ny Tanala (fotoan'ny ririnina), fahafito amin'ny Antanosy (Rakotosaona, 1972)[1]. Amin'ny Sakalava dia volana mifanandrify amin'ny volana Mey ny Hiahia nefa Septambra izany amin'ny Antankarana (David, 19952)[1]. Mifanandrify amin'ny volana Marsa kosa izany amin'ny Antandroy (Mahafay, Arofototse)[1]. Mifanandrify amin'ny volana Mey izany amin'ny Bara (Rakotosaona, 1972)[1]. Volana fahefatra amin'ny taona ny Tsiahia amin'ny Bezanozano (Rakotosaona, 1972)[2].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. 1,0 1,1 1,2 et 1,3 "Hiahia", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  2. "Tsiahia" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.