Ny Hatsiha dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Vatravatra no eo alohany ary ny Volasira (na Valasira) no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy nanonona hoe Hasia, Hatsia, Asiha na Hatsiaka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Antesaka sy amin'ny Antanosy dia volana fahatelo ny Hatsiha[1]. Volana fahafito kosa izy amin'ny Bezanozano izay manonona azy hoe Atsia[2]. Amin'ny Betsimisaraka, ny Hatsia dia volana voalohany ao amin'ny taona: "manomboka mitselitra sy mikotroka ny andro"[3].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano sy fanamarihana

  1. "Hatsiha", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  2. "Atsia", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  3. "Hatsia", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.