Ny Volasira dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Hatsiha no eo alohany ary ny Faosa kosa no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy nanonona hoe Valasira. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Araka an-dRakotosaona dia volana faharoa amin'ny taona ny Volasira[1]. Amin'ny Sihanaka sy ny Antambahoaka dia volana faharoa mifanandrify amin'ny volana Febroary ny Valasira, volana fahefatra izy amin'ny Antesaka, volana fahatelo kosa amin'ny Bara, ary volana fahefatra amin'ny Antanosy (Rakotosaona, 1972)[2].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. "Volasira", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  2. "Valasira" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.