Ny Sakamasay dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Hiahia no eo alohany ary ny Volambita no eo aoriany. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Volana fahavalo ny Sakamasay amin'ny Antesaka, fahasivy kosa amin'ny Bezanozano, fahenina amin'ny Sihanaka, fahavalo amin'ny Antandroy (Rakotosaona, 1972)[1]. Amin'ny Bara dia mifanandrify amin'ny volana Jona ny Sakamasay (Rakotosaona, 1972)[1].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. 1,0 et 1,1 "Sakamasay", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.