Ny Sakave dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Volambita no eo alohany ary ny Asaramantsina no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manonona hoe Sakavo, Sakavehy. Ny Bezanozano dia mampiasa ny teny hoe Tsimakamaka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy fanonona aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Antambahoaka dia volana fahafolo ny Sakave, volana fahasivy amin'ny Antesaka, volana fahasivy koa amin'ny Antanosy (Rakotosaona, 1972)[1]. Mifanandrify amin'ny volana Jolay izy amin'ny Bara (Rakorosaona, 1972)[1].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano sy fanamarihana

  1. 1,0 et 1,1 "Sakave" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.