Ny Vatravatra dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Asotry no eo alohany ary ny Hatsiha no eo aoriany. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Araka an'i Jaovelo-Djao dia misy manao hevitenim-bahoaka ka mandika ny hoe Vatravatra amin'ny Adaoro merina; volan'ny orambaratra ny Vatravatra[1]. Volana voalohany ny Vatravatra amin'ny Antesaka sy ny Antanosy, faha-12 amin'ny Bara, fafa-2 amin'ny Bezanozano, faha-11 amin'ny Sihanaka (Rakotosaona, 1972)[2].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. Robert Jaovelo-Dzao, Mythes, rites et transes à Madagascar: angano, joro et tromba Sakalava,1996, p. 375. (Jereo eto)
  2. "Vatravatra", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara