Ny Volamaka na Maka dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Faosa no eo alohany ary ny Hiahia no eo aoriany. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara. Ny Betsimisaraka dia mampiasa ny teny hoe Asara, ity teny ity anefa dia iantsoan'ny Betsileo ny Sakave.

Amin'ny Sihanaka dia volana fahefatra ny Volamaka fa fahenina kosa amin'ny Antanosy (Rakotosaona, 1972). Mifanandrify amin'ny volana Marsa io volana io amin'ny Antandroy (Mahafay, Arofototse)[1]. Volana fahafito ny Maka amin'ny Antambahoaka, fahafito amin'ny Antesaka, fahefatra amin'ny Bara ary fahavalo amin'ny Bezanozano (Rakotosaona, 1972)[2].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. "Volamaka" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  2. "Maka", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.