Ny Faosa dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Volasira no eo alohany ary ny Volamaka kosa no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manao hoe Volamposa, Fosa, Volapaosa, Ifosa na Volampaosa. Amin'ny faritry ny Bara sy ny Vezo sy ny Masikoro ary Sakalava dia mampiasa teny hafa, dia ny hoe Beray na Zaray. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Bara dia volana mifandrify amin'ny volana Marsa ny Faosa ary volana fahatelo amin'ny Sihanaka ny Volamposa (Rakotosaona 1972)[1] izay soratana hoe Volaposa koa[2]. Ny Beray dia volana fahatelo (Richardson, 1885) ary mifanandrify amin'ny volana Marsa amin'ny Antankarana (David, 1952)[3].

Jereo koa

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:

Samihafa

Boky azo anovozan-kevitra

Loharano

  1. "Faosa" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  2. "Volapaosa" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.
  3. "Beray", in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.